<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C. Urban</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompoko malala,
 Mpiandry tsara ô !
 Hianao no mahalala
 Ny hasasarako.
 Ny ota an-tapitrisa
 Izao mandreraka !
 Ka manomeza ahy
 Fiadanana !

[V2]
 Ry Tompoko malala,
 He, zatra Hianao
 Mampody ny adala
 Niala taminao ;
 Ampiadano aho,
 Tariho lalana,
 Ka mahareta Tompo,
 Aza sasatra !

[V3]
 Ry Tompoko malala,
 Te-hody aho izao,
 Fa manina ny vala
 Ny ondrikelinao ;
 Ka mitalaho aho :
 Vohay, ry Jeso ô,
 Izay mba efitrano
 Hitoerako !</lyrics>
<title>Ry Tompoko malala, mpiandry tsara o FFPM594</title>
<hymn_number>594</hymn_number>
</song>